Toetry ny andro : tsy hisy ny fiforonana andro ratsy

Tsy hisy fiforonana andro ratsy hahakasika an’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hamaritra ny toetry ny andro ny tsiokan’ny varatraza malefaka. Tsy ho marin-toerana indraindray amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy, ny fiandohan’ny herinandro. Hihamalefaka miandalana izany manomboka ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa ny rotsakorana any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Hanorana malefaka any Atsinanana, Diana, Sambirano ary ny manodidina an’i Taolagnaro. Handrahona arahina erika manify ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Hihamaina miandalana kosa izany manomboka ny fisasahan’ny herinandro. Hitondra orana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka any atsimon’ny Nosy ny fandalovan’ilay rindrin-drahona amin’ny alahady ho avy izao. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro any an-kafa.
Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra any afovoany atsinanana sy ny ilany atsimo atsinanan’i Madagasikara. Hiakatra tsikelikely izany manomboka amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manodidina ny 14 – 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 37°C ny tolakandro.

Vonjy

Partager sur: