Tsipy kanetibe: hanomboka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara

Hotanterahina eny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny 5 hatramin’ny 7 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ambo­aran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolo­rana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “seniors”, lehilahy, lalaovin’olona telo, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM). Ho­mena 750 000 Ar izay mahazo ny laharana faharoa, ary 5 hetsy Ar avy ny an’ireo ekipa fahatelo sy fahefatra.
Ankoatra izay, hisy koa ny fifanintsanana ho an’ireo sokajy hafa, toy ny vehivavy “seniors”, zandriny “juniors”, zokiny “vétérans”. Tsara ny mampahatsiahy fa hifarana rahampitso ny fe-potoana nomena ireo klioba sy mpilalao hanavaozana ny kara-pilalaovana amin’ity taona ity. Nomarihin’ny FSBM fa izay manana kara-pilalaovana ihany no afaka handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity.
Raha esorin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe ny sazin’i Madagasikara dia izay mandresy amin’ity no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana afrikanina, sokajy lahy sy vavy, any Maroc, ny volana jona ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: