“Women Rock in Digital” : mamiratra ireo vehivavy misehatra amin’ny niomerika

Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ».

Fahombiazana. Mahave­lom­bolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» amin’ity taona ity. Notanterahina, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Digital Center Antaninarenina izany.
Fotoana nifampizaran’ireo vehivavy ny traikefany sy ny momba ny asa ao anatin’ny niomerika, indrindra fampirisihana ny tanora hiantsehatra ao anatin’izany tontolo izany, ny sabotsy teo. «Tanjona ny ha­nasongadina ny maha zava-dehibe ny vehivavy ao anatin’ny niomerika sy hampahafantatra ireo tombontsoa maro azo amin’ny fikirakirana ny teknolojia», hoy ny filoha mpanorina ny Avana Hub sady mpandrindra ny “Women Rock in Digital”, Randriana­solo Isa. Tafiditra ao anatin’ izany ny fananganana tambajotra hahafahan’ireo vehivavy mifanohana sy mifanampy ho amin’ny fahombizana ao anatin’ny tontolo izay mazàna hanjakan’ny lehilahy, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Fizarana
Nisy ny lohahevitra novoaboasan’ireo mpandray anjara nandritra io fotoana io. Niton­dra fanazavana tamin’ny traikefa azony tamin’izany i Mi­ha­ri­manana Ornella Elisah, “développeuse en TypeScript” sy Raharitsiresy Miharisoa, “développeuse en JavaScript”.
«Nanaraka fiofanana izay nahazoako ny asa ataoko amin’izao fotoana izao aho taorian’ny niatrehako ny hetsika Women Rock in Digital, andiany fahefatra, tamin’ny taon-dasa», hoy i Ornella Elisah. Taorian’io, nanaraka fiofanana iray hafa nandritra ny enim-bolana izy tao amin’ ny Inclusive Akademy izay nahafahany nisitraka ny asa iandraiketany amin’izao fotoana izao, dia ny “développeuse en TypeScript”. Ankehitriny, mitovy amin’ireo nanaraka fiofanana manokana nandritra ny dimy taona, toy ny lehilahy maro miasa amin’ity sehatra ity ny tovovavy, hoy hatrany ny fanazavany.
Aingam-panahy sy fanohanana ary fotoana fifampizarana ho an’ny vehivavy maniry ny hiasa eo amin’ny sehatry ny niomerika ny “Women Rock in Digital”. Mampiseho izany fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ity sehatra goavana ity ny vehivavy.

Henintsoa Hani

Partager sur: