Vita ny fampiofanana ireo mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mahakasika ny fanamafisana ny traikefa amin’ny fisorohana ny voina an-tsekoily tao amin’ny Cisco Mahajanga I.
Tanjona ny hampihena ny fahavoazana ary tsy hisian’ny fitavozavozana raha misy ny tranga tampoka hahafahana mamonjy ny ain’ny mpianatra tra-doza.
Nodinihina koa ny momba ny fanafainganana ny fikirakirana ny antontan-taratasy mahakasika ny voina mba hahavitana ny fanoneram-bola ao anatin’ny fotoana fohy raha sendra misy loza. Teo koa ny fampiofanana ireo talen-tsekoly mikasika ny vonjy voina sy ny fiantohana an-tsekoly ary ny fandrafetana sy famenoana araka ny tokony ho izy ireo antontan-taratasy tsy maintsy ilaina. Ny antony izany dia mba tsy hampitarazoka na hisian’ny fivezivezena mandany fotoana.
Niarahana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny fiofanana. Niandraiketan’ny mpiandraikitra mahakasika ny “Gestes de Premier Secours” (GPS) na ny fihetsika vonjy voina, hisorohana ny fihitatry ny ratra na ireo fahavoazana hafa mety ateraky ny loza an-tsekoly ny fampiofanana.
Ao anatin’ny ezaka 100-n’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanofanana mikasika ny fisorohana ny voina an-tsekoly. Araka ny fanamby napetraka, sekoly miisa 228 ahitana mpianatra 225 408 no hotratrarina ao amin’izany.
Tatiana A