Nentina niakatra eto an-dRenivohitra nampanarahina fitsaboana ny iray tamin’ireo mpanao gazety efatra niharan-doza tao Morondava, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Tra-doza nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Antenimierandoholona tany an-toerana, omaly, ny fiaran’ny polisim-pirenena iray. Nitaingina io fiara io anefa ireo mpanao gazety ireo. Tsy tafavily tamin’ny fihodinana mihazo ny kaomisaria ny polisy, nifatratra tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ilay fiara. Nipitika ivelan’ny fiara ilay mpaka sarin’ny Antenimierandoholona ka tsy nahatsiaro tena. Nalefa fiaramanidina namonjy toeram-pitsaboana eto an-dRenivohitra avy hatrany izy taorian’io tranga io satria voa teo amin’ ny lohany.
Nahazo fitsaboana
Ankoatra io mpaka sary io, nahazo fitsaboana tao amin’ny CHRR Namahora ireo mpanao gazety namany. Tsy nisy natahorana ny fahasalaman’izy ireo ary efa nalefa nody. Na izany aza, potika ny fitaovam-piasana toy ny fangalana horonantsary. Simba ihany koa ny lohan’ilay fiara tsy mataho-dalana an’ny polisim-pirenena nitondra azy ireo. Nanohy ny diany avokoa ireo tomponandraiki-panjakana tao anatin’ny fiara hafa nandritra ny fotoana nisehoan’ny loza. Marihina, fandehanana mafy no niteraka ity lozam-pifamoivoizana omaly, tao Morondava ity. Andrasana ny tohin’ity tranga ity.
Tsiferana R.