Baolina kitra Mahatafita : manao andrana any Maroc Ratiandrainy Nicolas

Niainga teto an-tanindrazana, ny alahady 31 marsa lasa teo, hihazo an’i Maroc, Ratiandrainy Nicolas, Mala­gasy mpilalao baolina kitra. Manao andrana ao amin’ny klioba RS Berkane Maroc ny tenany, mandritra ny telo volana. Raha afapo aminy ity ekipa maraokanina ity, hisitraka ny fifanarahana matihanina voalohany ho azy izy.
Tsiahivina fa tamin’ilay tetikasa “Baolina Kitra Maha­tafita” (BKM), izay natao teto Madagasikara, ny taona 2023, no nahitan’ i Ndemba Mbaye, tale teknika nasionalin’ny RS Berkane an’ity mpilalao ity. Wassim Gharmoul, kosa no “agent” an’ity Malagasy ity. Ny tetikasa BKM dia hetsika karakarain’ny fikambanana LNR Sport Management ary tohanan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Tsara ny mampahafantatra fa mpilalao avy any Mo­rondava i Nicolas, ary nilalao tao amin’ny klioban’ny Jet Kintana Itasy, mialoha izao fi­tsapana any ivelany izao. Ampa­hatsiahivina koa fa anisan’ireo klioba goavana aty Afrika ny RS Berkane. Efa nandrombaka ny amboaran’ny CAF izy ireo ny taona 2020 sy ny 2022.

Fitia Randria

Partager sur: