Hamolavola tanora malagasy hahay informatika, indrindra fa amin’ny “codage” sy hitondra ny talentany any ivelany. Io no tanjona apetraky ny vondrona Axian amin’ny fanokafana ny Ecole 42 eto Antananarivo, fahefatra amin’ ny tambajotra 42 misy eto afrika. Tafiditra ao anatin’ny tambajotran-tsekoly malaza eo amin’ny informatika misy tao anatin’ny 10 taona ny Ecole 42 Antananarivo. Araka izany, hanofana ireo mpianatra ho lasa matihanina amin’ny fikirakirana ny tontolon’ny informatika sy ny niomerika izay tsy mitsaha-mivoatra isan’andro izy ireo. Tsy mitaky diplaoma sy misokatra amin’ny salan-taona rehetra ny fidirana ao amin’ny sekoly. Maimaimpoana ny fianarana. Mivoha isan’andro ny toeram-piofanana etsy amin’ny Galaxy Andraharo izay mandray ireo mpiofana, eny na sabotsy sy alahady aza. Efa hita anatin’ity toerana ity avokoa ny fitaovana ilaina amin’ny fiofanana, indrindra ny solosaina hianarana ary avela hiezaka sy hamehy tena hianatra samirery ny mpianatra iray “Tsy misy mpampianatra fa anisan’ny tombony ho an’ny mpianatra ny fifanakalozana sy fifanampiana na hoe peer-to-peer», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny école 42, Ratovoson Clémence, omaly, nandritra ny fitsidihana ity toerana vao notokanana ny voalohan’ny herinandro ity. Tamin’ny tanora 8 000 nandefa dossier, 600 no voasafidy hifaninana ary 196 izy ireo no voasafidy hanaraka ny fiofanana izay mety haharitra hatramin’ny telo taona.
Henintsoa H.