Feno ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia lasa teo. Namela takaitra maro ho an’ny faritra avaratra atsinanana
89 645 ny isan’ny traboina ary maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny biraom-panjakana sy ny sekoly. Rehefa misy voina tahaka izao, ilana fanampiana amin’ny firenena hafa sy ireo mpiray ombon’antoka mahazatra. “Anio no hanainga ny fanampiana eto Antananarivo ho any Antsiranana ka hotsinjaraina amin’ny distrika rehetra voakasiky ny rivodoza. Sakafo ho an’ny traboina sy ny olona nafindra toerana mahavita 10 andro no maika”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny Andrainarivo. Miandry ny fiaramanidina avy amin’ny fanjakana frantsay, izay nanambara tamin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika, Arnaud Guillois, ny fahavononany hanoina ny antson’ny BNGRC. Mahazaka entana 5t io fiaramanidina lehibe io. Ho fanamorana ny fivezivezen’ny mponina, nalefa any amin’ireo toerana misy tetezana tapaka ny zodiac satria andoavam-bola aloha ny fiampitana amin’izao fotoana izao amin’ny fitaovana misy eo an-toerana.
Ao anatin’ny hamehana ny fanjakana (BNGRC sy ny minisiteran’ny Asa vaventy) no misehatra voalohany mitondra fanampiana ny mpiara-belona fa ao anatin’ny fiarenana vao manohana ny sehatra manakaiky azy (fahasalamana, fanabeazana, rano…) ny mpiray ombon’antoka rehetra.
Tondradrano koa ao Vohipeno
Ankoatra ny any Avaratra Atsinanana, misy tondradrano koa ao amin’ny distrikan’i Vohipeno amin’izao fotoana izao. An-jatony ireo efa traboina ary olona iray no maty lasan’ny rano, araka ny tatitra azon’ny BNGRC. Efa midinika ny fanampiana hatao ny ekipa nanomboka omaly.
Vonjy A.