Fanohanana : tantsaha maro nisitraka masomboly

Mitohy hatrany ny fanohanana ataon’ny fanjakana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny tetikasa Purpa, hanatsarana sy hampiroboroboana ny famokarana. Nahazo ny anjarany, ny herinandro teo, ireo mpamokatra miisa 432 avy ao amin’ny kaominina Maneva, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Nisitraka masomboly « riz irrigué » milanja 3 888 kg, zezika NPK 6 480 kg ary zezika organika 32 400 kg ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny asa 100 andron’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny hetsika. Noho izany, nozaraina masomboly vary an-drano milanja 2 160kg, zezika NPK 3 600kg ary zezika biolojika 18 000kg ihany koa ny mpamokatra avy ao amin’ny kaominina Bezaha, distrika Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Ankoatra izay, nahazo akoho miisa 6 000 ireo renim-pianakaviana sy tovovavy ao anatin’ny fikambanana Ampela Mijoro ao Soamanandrariny. Tanjona ny hanampiana ny fidiram-bolan’izy ireo sy hanatsarana ny fanjarian-tsakafony. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinam-piaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny fikambanana Ampela mijoro izany.

Henintsoa H.

Partager sur: