FANTINA sy FINTINA

Nangataka ny hanoloana ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre, ny filoha Rajoelina, araka ny vaovao navoakan’ny gazety Africa Intelligence. Voalaza ho anton’izany ny fanehoan-kevitr’io diplaomaty io mitsipaka ny famosirana ny mpanolana.

Voafidy ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny HCDDED Rakotonandrasana Éric Stoff. Nahazo ny isam-bato 30 amin’ny 59 izy tamin’ny fifidianana natao, afakomaly.

Nambaran’ny mpitarika ny Firaisankina, Ravalomanana, tao Antsirabe, fa fomba sy lalana iray hahazoana fahefana ny fananana ny maro
anisa eny amin’ny Antenimiera. “Hampitsaharana izao fampijaliana antsika izao sy hamerenana an’i Madagasikara ho an’ny Malagasy izany”, hoy izy. Nanteriny fa zava-dehibe ny fifidianana hatao ny 29 mey izao.

Voatendry ho governora any Amoron’i Mania, Rakotomandimby Desiré. Mpandrindra ny antoko TGV any amin’iny faritra iny ny tenany, nialoha izao fanendrena izao. Tsiahivina fa vao notendren’ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro teo, ilay mpisolo toerana saingy izao nesorina tamin’ny toerany izao sahady.

Partager sur: