Hamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).
Natao omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny komitim-pirenena fandrindrana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (CNPPP) izay nahitana minisitra fito sy solontenan’ny sehatra tsy miankina. Mitarika ny komity ny biraon’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Asa telo lehibe no nilofosan’ny CNPPP, omaly, entina hampandrosoana ny firenena. Tafiditra amin’izany ny fitsipika ao anatin’ny CNPPP, ny politikam-pirenena ho fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny tetikasa azo tsapain-tanana eo anivon’ny minisitera tsirairay avy. «Laharam-pahamehan’izao fiaraha-miasa izao ny hamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara. Ao anatin’
izany ny momba ny tetikasa Sahofika sy Volobe», hoy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Fampandrosoana
Fitaovana iray hoentina hampandrosoana ny firenena ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hanamafisana ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), amin’alalan’ny andry telo mandrafitra izany. Hojerena manokana ao anatin’ny 3P ny andry faharoan’ny PGE izay mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa. Fanamby lehibe ho an’i Madagasikara ny fampakarana ny tahan’ny fananana asa. Tombanan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny asa (OIT) ho
tsy zarizary ny 45,5 % ny asa misy eto Madagasikara. Mihoatra, ka tafakatra hatrany amin’ny 80% izany raha ny tomban’ireo matihanina. Marihina fa anisan’ny mampiodina ny toekarena ny fananana asa. Tanjona apetraky ny fanjakana ny hampakarana ho 4,5% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity.
Henintsoa Hani