Nanao sonia fiaraha-miasa ho an’ny telo taona manaraka teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, Andrainarivo, omaly, ny masoivoho frantsay sy ny minisiteran’ny Atitany. Ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza voajanahary samihafa (tondradrano, afo…) no votoatin’ny fiaraha-miasa. Nanome fitaovana informatika hanatsarana ny asan’ny Cervo eo anivon’ny BNGRC ny fanjakana frantsay, hanafainganana ny fahazoana angom-baovao miainga eny ifotony rehefa misy ny voina miseho. Hanohana ireo mpiasa amin’ny fiarovana ny vahoaka koa izy ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Efa nanampy amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza koa ny ekipa frantsay. Nanomboka ny taona 2012 ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana ny Cervo ka nohatsaraina amin’ny fametrahana “serveur informatique” vaovao.
Efa mipetraka rahateo ny Paikadim-pirenena sy ny Politika nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto amintsika. Zava-dehibe ny fananana antontam-baovao hitondrana ny asa fanampiana rehefa misy loza voajanahary.
Nialoha ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana no nanomezana mari-boninahitra, “Medaille de la défense nationale française Echelon or”, ho fankasitrahana ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny ekipa rehetra amin’ny asa fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara.
Vonjy