Ny 80% ny tanora miisa 230 nanaraka fiofanana maimaimpoana momba ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe amin’ny “Métiers du web” tao Antsirabe, no hanangana avy hatrany ny orinasany. Fantatra io nandritra ny lanona famaranana ny hetsika, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Misy toerana 20 misandrahaka manerana ny Nosy ahazoana manao fitiliana maimampoana ny tsimokaretina VIH/Sida. Ho an’ny eto Antananarivo, fito ny toeram-pitsaboana mandray ireo vonona hanao izany : Hopitalibe Befelatanana, CSB II Anosipatrana, CHRD Itaosy… FSP CUA Andravoahangy.
Ho fiaraha-miasa amin’ny sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara, mikarakara fanofanana faobe momba ny taotrano : asan’ny maçon polyvalent, aide maçon ary ny manœuvre ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Olona 100 no horaisina hiofana ary hanomboka rahampitso izany.
Nanolotra vatsim-pianarana fikarohana ho an’ny Malagasy mpianatra manana ny mari-pahaizana Master na doctorat ny minisitra japoney misahana ny Fanabeazana sy ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena. Ho an’ny Malagasy 34 taona no ho mihoatra, vonona ny hianatra ny teny japoney, ny tolotra.