Joël Andrianomearisoa: nahazo ny mariboninahitry ny kanto frantsay

Notanterahina ny 2 avrily teo, tany Paris France, ny lanonana fanolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra avy amin’ny Répoblika Frantsay. Anisan’ny nahazo ny “Chevalier de l’ordre des arts et des lettres de la République Française » i Joël Andrianomearisoa, Malagasy mpiangaly ny haikanto plastika. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ireo mpahay kanto miavaka eo amin’ny famoronana mitondra fampivoarana ho an’ny haikanto sy haisoratra frantsay no tolorana ity mariboninahitra ity.
Mitombo indray ireo Malagasy, nampiaiky ny vahiny, tamin’ny alalan’ny haikanto sy ny asa tanany. Anisan’izany i Joël Andrianomearisoa, Malagasy miangaly ny haikanto plastika. Mampiavaka azy ny fahaizany mandrindra ny tenona sy ny ho­sodoko ao anaty sary iray. Eo ihany koa ny rary sy ny lamba. Hetsika ara-javakanto maro samihafa, eto an-toerana sy tany ivelany no nandraisan’ity mpahay kanto malagasy ity anjara ka nisongadina hatrany izy tamin’izany.

Lin

Partager sur: