Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, jiolahy enin-dahy maty nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny kaominina Morafeno, afakomaly. Nibaboka sy nitolo-batana ny vehivavy namany.
Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy ny jiolahy enin-dahy nandroba vola mitetina 6 000 000 Ar tao amin’ny fokontany Mamoeramanjaka, kaominina Morafeno, distrika Arivonimamo, ny harivan’ny alarobia 3 avrily teo. Nanafika tao
amin’ny tokantrano anatin’io fokontany io ny olon-dratsy, enina lahy, vavy iray, tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Noratrain’izy ireo ilay ramatoa. Lasan’ireo jiolahy ny vola an-tapitrisany niampy telefaonina. Nifanenjehan’ny fokonolona ireo tsy valahara. Nanampy azy ireo nanao ny fanarahan-dia ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Vokany, sarona tao amin’ny fokontany Mahadonga ny telo. Maty novonoin’ny fokonolona ny roa lahy, vehivavy kosa ny iray. Atsasak’adiny taorian’io, nifanehatra tamin’ny zandary, voasambotra ny efa-dahy hafa naman’ireo jiolahy tao amin’ny fokontany Sambaikoarivo, kaominian Morafeno. Nitondra basy poleta, nanohitra ny fokonolona sy ny zandarimaria nisambotra azy ireto farany. Namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana izy efa-dahy. Vokany, niara-maty avokoa ireo enin-dahy nandroba.
Famotorana lalina
Vehivavy iray hafa naman’ ireo jiolahy ireo koa tratran’ny fokonolona. Nitolo-batana, niaiky heloka io mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy io. Naratra vokatry ny daroka nataon’ny fokonolona izy. Nentin’ny zandary hatao famotorana lalina taorian’ny fisamborana azy. Tetsy ankilany, nalevin’ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ireo jiolahy enin-dahy, omaly maraina. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria ao an-toerana manoloana ity raharaha ity. Manentana hatrany ny fokonolona hampihatra ny tagnamaron’ny fandriampahalemana kosa izy ireo, ahafahana misambotra ireo olon-dratsy.
Tsiferana R.