Vao mihiratra ny voamaso ny maraina dia karazan-doza no mandrakotra ny tambajotran-tserasera. Maty etsy, mitsirara sy maratra eroa. Manginy fotsiny ny loza voajanahary izay mampitondra faisana ny tsy manan-tsiny. Miraradraraka ny ra! Izay tsy manan-katao hitsaboana dia manampy isa ny maty tsy tra-drano.
Hatreto, tsy mbola misy andro mihiratra ny an’ilay Malagasy. Zary zava-dratsy no mandrakotra sy mameno tanàna. Raha misy ny tsara miseho na zava-bita mahasoa dia ravarava fahatany. Fiaingana vaovao hatrany ilay andavanandrom-piainana. Sanatrian-dresaka, toa voaozona tsy mba hivoatra izany.
Iza anefa no homen-tsiny? Tsy hita izay hamarinana ny rihitra. Miseholany izany dia ny samy Malagasy ihany no tomponandraikitra. Manana ny anjarany ny fitondrana saingy tsy afa-miala ihany koa ny vahoaka tsivakivolo. Mifampiankina ka na mifameno na mifanipaka ny andaniny sy ny ankilany. Tsy misy afaka ny hialangalana ka tsy hiara-mitady vahaolana.
Mavesatra sy tsy zaka zakaina ny hasim-piainana. Sahirana amin’ny fitadiavam-bahaolana ny nomem-pahefana. Kofon’ny olana kosa ny mpanome fahefana. Samy mihenahena, mitady hirika ivoahana saingy mbola lavitry ny afo ny kitay. Samy miraviravy tanana daholo ny herivelona rehetra. Tena tsy misy azo atao afa-tsy ny miaritra ny ngidim-piainana aloha hatreto.
Tsy natao hahakivy anefa izany, ny resy tsy miady no voamafy. Fady ny mitsoaka an-daharana. Tsy maintsy mijoro sy misikimponitra. Tsy fotoan’ny samy maka ho azy izao, fa an’ny fifanomezan-tanana. Na inona na inona zava-misy, tsy maintsy mitraka. Ny fijoroana anaty hirifiry no porofon’ny tena maha olombelona vonon-kiady. Mila miray hina sy mifanome tanana mba ho mpirahalahy mianala ny mpitondra sy ny vahoaka hoentina.
r.r