Teleferika : tafapetraka ny tariby, an’Anosy sy i Soarano

Tontosa ny fametrahana ny tariby amin’ny fitaterana teleferika mampitohy an’Anosy sy i Soarano. Tonga nitsidika ny asa tetsy amin’ny Gara Anosy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly. Enina herinandro ny fe-potoana nametrahana ny tariby mitondra ireo fitaovam-pitaterana ireo. “Vita tao anatin’ny roa herinandro izany noho ny fahaiza-miasa ara-teknika”, hoy ny sekreteram-panjakana, Andriamanohisoa Gerard. Nilaza izy fa asa mifanaraka amin’ny teknolojia vaovao no nampiasaina. “Hamaha ny olan’ny fitohanan’ny fiara ity fitaterana iray ity na dia maro aza ny tsy resy lahatra. Hitatitra olon-tsotra sady hampihena ny isan’ny fiara, ampivadiana amin’ny train urbain sy ny taxi-be izany”, hoy hatrany izy. 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka vokatry ny fitohanan’ny fiara eto Antananarivo, raha ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Nohamafisiny fa hihena 8 tapitrisa dolara ny fatiantoka amin’ny fisian’io fitaterana io.
Ny 6 mey ho avy izao ny hanaovana ny andrana teknika amin’ny fitaterana an-tariby mampitohy an’Anosy sy Soarano. Hanomboka ny 26 jona izao kosa ny fitaterana ho an’ny eto Antananarivo.

Mino

Partager sur: