Nisehoana tranga mampalahelo teo amin’ny tontolon’ny atletisma malagasy, ny alarobia hariva lasa teo. Hita faty tany Andaboly Toliara tokony tamin’ny 4 ora hariva i Félix, ilay tovolahy jamba fantatra eo amin’ny taranja atletisma. Araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny sekolin’ny jamba ao Toliara, efa nanomboka ny alatsinain’ny Paka lasa teo ny tovolahy no tsy hita. Voalaza fa nandeha nilomano tany Andaboly Toliara no nialany tao an-trano. Nandritra izany no tsy nahitana azy. Io alarobia io vao hita ny vatana mangatsiakany. Tsiahivina fa atleta malagasy manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Tovondrainy Félix. Atelta miavaka sy manana ny maha izy azy ary nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’ity taranja ity, sokajy ho an’ny olona jamba. Marobe ny amboara efa azony ary vao avy nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo, natao teto Madagasikara, izy. Teo amin’ny hazakazaka 100 m ho an’ny olona jamba no nahazoan’i Félix io medaly volamena io. Vao 21 taona monja ity atleta malagasy ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Izahay eto amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny akaiky azy teo amin’ny taranja atletisma.
Mi.Raz