Miakatra 900 000Ar ka hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny vidin’ny tapakila amin’ny fitaterana ana habakabaka amin’ny sidina anatiny eto amintsika, arakaraka ny toerana hiaingana sy aleha ary ny tolotra vidian’ ny mpandeha. Mahatonga izany ny fiakaran’ny hetra eny amin’ny seranam-piaramanidina, hoy ny kaompania Madagascar Airlines.
Afaka mivarotra mihoatra ny 10% amin’ny vokatra sulfate d’ammonium Ambatovy. Tanjona ny hanampiana ireo tantsaha sahirana amin’ny fividianana zezika. Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny firoboroboan’ny famokarana hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Aloan’ny fanjakana ny hetra sy ny haban-tseranan’ireo fitaovana entina hamatsiana ny foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro 50 MW, ao anatin’ny tetikasa «parcs solaires», hiarahana amin’ny orinasa Jirama. Voakasiky ny fepetra ireo entana andiany faha-9 ka hatramin’ny faha-12 andrasana.
Nihena 7,2% ny famokarana kafe aty Afrika, nandritra ny taona 2022-2023. Nihena 84 000 taonina izany raha oharina tamin’ny vokatra tamin’ny taona 2021-2022, izay nahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina. Anisan’ny mahatonga izao ny fiovan’ny toetr’andro sy ny haintany any Ouganda sy Côte d’Ivoire.