Mampiaka-peo sy maneho ny hatezerany ny mponina eto an-dRenivohitra noho ny fahatapahan-drano tsy ahitam-bahaolana. Misy ny midina an-dalambe sy mandoro kodiarana.
Miitatra isaky ny fokontany, naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny rano ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Nanakan-dalana, nitsoka kiririoka ny fokonolona tetsy Ambohijatovo-Ivandry, omaly. Nidina an-dalambe, nisintona lakolosy manoloana ny olana sedrain’izy ireo. Tsy mandeha intsony ny rano eny anivon’ny tokantranon’izy ireo. “Aiza ny anjara ranonay”, hoy ny tabataban’ireo mpanao fihetsiketsehana. Voakasik’io tsy fisian-drano io avokoa ny ankamaroan’ny fokontany manodidina azy ireo. Anisan’ izany, ny tanànan’Andrianalefy-Androhibe, fokontany Analamahitsy Cité sy ny manodidina. “Leo ny tsy fisian’ny rano sy ny olana omen’ny Jirama izahay vahoaka madinika”, hoy i Sandrine, anisan’ireo nanao fihetsiketsehana. Nodoran’izy ireo ny kodiarana ka nanakana ny arabe nandritra ny minitra vitsy. “Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana? Ny rano izay midika aina”, hoy kosa i Angelo, olon-tsotra voakasiky ny tsy fisian-drano.
Efa nanao fihetsiketsehana ny mponina Analamahitsy, afakomaly alina.
Hiverina amin’ny laoniny
Maherin’ny dimy volana, miaina tanteraka anaty tsy fisian-drano ny mponin’Ankatso, Tsarahonenana sy ny manodidina. Vao ny alarobia maraina teo, nidina nitsoka kiririoka koa ny mponina teny Mausolée. Nidina ifotony nandamina ny toe-draharaha teny an-toerana ny polisim-pirenena. Efa naneho ny tsy fahafaliany ny teny Alasora. Niditra an-tsehatra ny teo anivon’ny kaominina sy ny teknisian’ny Jirama, omaly.
Efa manao izay ho afany hamahana ny olana ny tomponandraikitra misahana ny rano. Nilaza izy ireo fa nitarika ny fikorontanan’ny famatsiana ny fahasimban’ny fitaovana amin’ny paompy miisa roa mpisintona rano ao Mandroseza. Efa miverina amin’ny laonina tsikelikely izany nanomboka omaly, araka ny loharanom-baovao. “Vahaolana maharitra no ilaina fa mijaly ny vahoaka”, raha ny fanamafisan’i Safidy, mpianatra ao Ankatso, monina eny Tsarahonena.
Tsiferana R.