Fampahafantarana ny voka-pikarohana : hanangana vovonana niomerika ny oniversitem-panjakana

Olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny voka-pikarohana mivoaka eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hanampy betsaka izany ny fananganana ny vovonana niomerika.

Nifarana omaly, tetsy Andrainarivo, ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra amin’ny fikarohana eny anivon’ny Oniversiten’Antana­na­rivo. Tafiditra ao anatin’ny atrikasa ny hananganana sy ha­namboarana vovonana niomerika mahakasika ny fikarohana. “Tanjona ny hanamorana ny famoahana sy ny hampahafantarana ny voka-pikarohana eny amin’ny oniversiten’Antana­na­rivo sy eo amin’ny sehatra na­sionaly”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy Raoul, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Mba hanamorana ny fidirana amin’ ny loharanon-karena sy hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpikaroka ary hanamafy ny fijerena ireo asa fikarohana ao amin’ny oniversite no anton’izany. Nilaza izy fa hanampy amin’ny fanaparitahana ny voka-pikarohana, ho hita manerana izao tontolo izao, izany.

Mampandroso ny firenena ny voka-pikarohana
“Aman-jatony isan-taona ny voka-pikarohana mivoaka eny anivon’ny anjerimanontolo. Maro anefa ny tsy mahafantatra izany, noho ny tsy fahafampian’ny fampahafantarana”, hoy kosa ny Pr Radaniela Tondro, mpampianatra mpikaroka. Noha­ma­fisiny fa mitana anjara toerana lehibe hampandrosoana ny firenena ny voka-pikarohana. Manampy izany koa ny fankatoavan’ny vahiny izany ka antony hananganan’ny oniversiten’Anta­nananarivo ny vovonana niomerika. Niaraha-nidinika ny hamaritana ny laharam-pahamehana sy hamolavolana ny fomba fiasa ilaina amin’ny fikarohana ao amin’io vovonana io. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fanohanana andrimpanjakana faharoa ity atrikasa ity. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny Akademia momba ny fikarohana sy fampianarana ambony (ARES) any Belgique, nahafahana nanao izany.

Mino

Partager sur: