Misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fiovan’ny toetr’andro miseho eto amintsika. Nisehatra tamin’izay ny fandaharanasa PAGE /GIZ, efa nanomboka tamin’ny dingana voalohany. Nampahafantatra ny aretina enina mety hirongatra vokatr’izany izy ireo: ny tazo, pesta, fivalanana, aretina azo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina, areti-tratra (IRA) ary ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny GIZ, Randrianarivelo Rolland Maminiaina. Ireo aretina mety hirongatra isam-bolana no nozaraina.
Nanao tamberina ireo mpampiasa ny antontam-baovao navoakan’ny fandaharanasa fa tsy ireo ihany ny aretina nateraky ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. Niara-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara ny fandaharanasa. Namaritra ny aretina 20 vaovao mety hirongatra izy ireo. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny aretin-tsaina, filariose, bilarziozy, sohika…
Mila fikarohana ny famoahana ny antontam-baovao momba ny aretina isam-bolana. Atambatra ny antontan-kevitra sy ny antontanisa momba ny toetry ny andro sy fahasalamana ka ahazoana manome ny karazan’aretina mety hirongatra. Tsy nanohy intsony ny fikarohana ny fandaharanasa PAGE/GIZ fa vonona kosa hanao tantsoroka teknika ny sampana na ivontoerana hisahana izany. Amin’izao fotoana izao, nanohy ny fikarohana amin’ny ampahany ny Croix rouge alemà sy ny OMS.
Vonjy