INDRAY MIJERY

Tanjon’ny hetsika fanapariahana ny fandrindram-piterahana maoderina ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana azy io ho 60% hatramin’ny taona 2030, eto amintsika. Tao anatin’ny 100 andro, vehivavy 3 tapitrisa mahery no mampiasa tsy tapaka ny fomba maoderina. An’arivony ny mpiandraikitra tanora nahazo fiofanana ahazoan’izy ireo mizara ny fanentanana.
Nandritra ny hateloana ny atrikasa famolavolana ireo drafitrasa hiatrehana ny hamehana kaominaly ho an’ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra ary Ano­sizato. Anatin’ny toerana hiasan’ny tetikasa Produir ho an’ny efatra taona ho avy izy ity. Ny BNGRC no manome tantsoroka azy ireny amin’ireo loza mety hananontanona.
Amin’ny ankapobeny, hisy fiakarana ny maripana ambony saika manerana ny Nosy, izay hisongadina ny any avaratra andrefana sy ilany andrefana. Antonony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho antonony ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto an-dRenivohitra

Partager sur: