Manokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny sokajy rehefa hiakatra kilasy de 1ère “Ny asako rahampitso”. Hetsika entin’ireo mpisehatra amin’ny asa eto amintsika manomboka amin’ny alatsinainy, eny amin’ny lycée eto Antananarivo.
Hiditra amin’ny andiany faha-16 ny hetsika “Ny asako rahampitso” iarahan’ny Rotary club Ainga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mikarakara. “Fizarana ny karazana asa an-jatony misy eto amintsika sy ny lalana harahina raha maniry ny hanao izany no tanjon’ireo mpisehatra mandritra ny efatra andro”, hoy ny filohan’ny Rotary Ainga, Viraj Vibakar, teny Anosy, omaly. Eny amin’ny lycée valo, eto an-dRenivohitra, no hitondra ny hetsika ho an’ny mpianatra 2nde, hanampy amin’ny fisafidianana ny sokajy (serie) rehefa hiakatra kilasy de 1ère. Hahazo tombontsoa ny mpianatra 5 833 anatina kilasy 104 eto Antananarivo sy eny Andoharanofotsy. Ankoatra ny asa mahazatra, hisongadina koa ireo sehatrasa vaovao mahaliana. Adiny iray isaky ny kilasy no faharetan’ny mpisehatra sy ny mpianatra.
Asa maharitra ny hetsika “Ny asako rahampitso” izay fanao isan-taona ary tsapa fa nitondra vokatra ho an’ny mpianatra satria nitari-dalana amin’ny safidiny.
Hatomboka eny amin’ny lycée Jean Joseph Rabearivelo sy Andoharanofotsy ny fanentanana. Zava-dehibe ho an’ny Rotary ny fanabeazana sy ny ady amin’ny habadoana, tafiditra amin’ny sahanasa fito sahanin’izy ireo maneran-tany.
Vonjy
Manohana ny fahasalamana
Nanavao sy nanatsara ny efitrano fandraisana ireo kilonga madinika ao amin’ny EPP Antanetikely Arivonimamo ny fikambanana. Nametrahana fotodrafitrasa fahazoana rano madio ny sekoly, hisitrahan’ny mpianatra izany, ho fiarovana ny fahasalaman’izy ireo. Teo amin’ny fahasalamana, nanome ra ny mpikambana ny taona 2023, ka nahazoana kitapon-dra 500 hamonjena aina. Nitohy tamin’ity taona ity ny hetsika, niaraka amin’ny American School.
Nanamboatra toeram-pandidiana teny anivon’ny hopitaly Antsohihy ny fikambanana. 31 ny isan’ny mpikambana ary 25 taona no niorenany hanasoavana ny mpiara-belona.