Napetraka, omaly, ny vatofototry ny trano lehibe fialofana handraisana ireo tra-doza “Abri communautaire à usages multiples – Acum”, ao Mananjary. Nanatanteraka izany, tany an-toerana, ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Miova ny fomba fiasantsika, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny fiantohana ny ain’ny mponina sy ny fananany rehefa tonga ny loza voajanahary tahaka izao”, hoy izy. Nanteriny fa hapetraka sahady dieny izao ny trano lehibe afaka mandray traboina maherin’ny arivo.
Hanomboka avy hatrany ny asa. Ezahina ho vitaina mialoha ny faran’ny taona ny ivontoerana.
Hiroso avy hatrany amin’ny fanombohana ny asa fanamboarana ny trano lehibe fiafolana handraisana ireo tra-doza koa ny fanjakana. Anisan’ny hisitraka izany ny any Manakara sy ao Farafangana ary ny eto Antananarivo. Anisan’ny niatrika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.
Synèse R.