Seho « Redombe » : hira 37 no hovelomina

Miroso hatrany ny fanomanana ilay fampisehoana an-tsehatra « Redombe » karakarain’ny Sehatra Bagasy. Fantatra fa mahatratra 37 ny isan’ireo hira hovelomina eny an-tsehatra, ny sabotsy 25 mey izao, ao amin’ny efitrano malalaky ny CCEsca Antanimena. Anio, hanatanteraka fihaonana « Atrikefa Bagasy » ho famerenana ireo hira ireo, eny amin’ny Aro Antsahavola, ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny Sehatra Bagasy.
Ny sabotsy 13 avrily, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’io toerana io ihany. Fotoana hiarahana amin’ny tarika Imangarivo Paris Malagasy Club, ao anatin’ny Zarasehatra. Maro ireo mpanakanto na tarika nilaza sy naneho ny heviny momba ny bagasy. Hanatanteraka izany ihany koa ry zareo ireto mandritra ity Zarasehatra ity. « Mahaliana!», hoy ny filohan’ny Sehatra Bagasy ny tahaka izao, satria, manana traikefa matanjaka amin’ny tontolon’izy io ny Imangarivo Paris Malagasy Club.
Marihina fa anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Sehatra Bagasy ny fampahafantarana sy fampiainana indray ny Malagasy izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: