100 taona ny Lycée Faravohitra: havaozina ny efitrano TIC

Nanomboka ny volana septambra 2023 teo ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny lycée Faravohitra. Amin’ity volana avrily ity no ivon’ny fankalazana. “Ny 18 avrily 1924 no niorina ny sekoly”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana iray amin’ny komitin’ny jobily. Fiaraha-misakafo sy fety be no hisongadina ny 26 avrily, iarahan’ny mpianatra, ny mpandraharaha, ny mpanabe rehetra ary ny maintimolaly, eny amin’ny Espace Rose. Isam-bolana, samy nanomana hetsika fanamarihana ny club marobe eo anivon’ity Lycée ity, amin’ny alalan’ny zavatra mampiavaka azy avy. Manampy ireo ny lalao eny an-kianja, hira, fampisehoana ary famoahana ireo mpianatra kilasy famaranana hiatrika ny bakalorea amin’ity taona ity.
Ho tsangambaton’ny faha-100 taona ny fanavaozana ny toerana fikirakirana informatika sy ny efitranon’ny mpampianatra rehetra. Ezaka lehibe anatin’izany koa ny fanorenana trano lehibe azo andraisana hetsika sy fivoriana, eo anivon’ny lycée. 1960 eo ho eo ny isan’ny mpianatra, ankehitriny. Efa namoaka olona sangany ny lycée tao anatin’izay 100 taona nanabeazany izay.

Vonjy

Partager sur: