DAKA AN-JORONY: Langalangao ho laingalaingaina

Tapitra hatreo ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar tao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny volana marsa teo. Samy nandray lesona ny tsy nety tamin’ireo vokatra azo ny rehetra manomboka any amin’ny federasiona, mandalo amin’ny mpanazatra ary hatrany amin’ireo mpiantsehatra mivantana dia ny mpilalao izany. Tsy afa-miala ao anatin’izany koa ny mpijery sy ny mpanao gazety. Langalangao ho laingalaingaina ê! Mandeha ao anaty tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo, ny fanehoan-kevitra fa tsy hiverina ao anaty ekipam-pirenena ireo mpilalao sasantsasany any ivelany raha tsy azon’izy ireo ny vola. Tsy voafaritra mazava hatreto na vola tamin’ny resaka inona izany na inona. Tsy misy tomponandraikitra afaka manazava momba azy ity fa mandoro mangina toa afon’ampombo. Mety misy ilay olana fa tsy maintsy langalangaina aloha mba ho laingalaingaina.
Gasy manao zavatra. Fomba fiteny tsy manavao ny sofina intsony izany. Tsy maintsy misy ny langalangaina ho laingalaingaina rehefa misy resa-bola. Efa natsidiky ny Daka an-jorony teto, herinandro lasa izay, fa misy mivoy ity resa-bola eo amin’ny mpilalaon’ny Barea sy ny federasiona ity saingy tsy maintsy langalangaina ho laingalaingaina. Ny vy tsy mikitrana irery ary hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Ny mpifanandrina efa manomana mafy ary mamoaka vava fa ho reseny eto an-tanindrazana ny Barea. Tsy laingalainga izany fa tena langalanga. Etsy an-kilany, mbola langalangaina ho laingalaingaina ny an’ny Malagasy satria ny vola no hozatry ny fiainana. Manahy ny mpankafy fa ho lasa langalanga izy ity ho laingalaingaina.

Tompondaka

Partager sur: