Fampiofanana momba ny BTP : hamaly ny filan’ny SIM ireo tanora 100 mianadahy

Nanomboka ny sabotsy teo, etsy amin’ny INPF, ny fampiofanana ireo tanora 100 mianadahy hianatra momba ny fandrafetana trano: BTP, maçon polyvalent, aide ma­çon- manoeuvre. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa izany. Tonga nampahery azy ireo, teny an-toerana, ny minisitra Rakotondrazafy Lala­tiana. Nanantitrantitra ny tokony hahatozoana hatramin’ny farany ny fiofanana sy ny hifotorana tsara izay. Fampio­fanana haharitra herinandro.

Fandatsahana biriky, fa­tran’ny simenitra sy ny rihitra ampiasaina, ny kalitaon’ny vy ampiasaina rehefa mila izany, arakaraka ny takin’ny rafitra, ireo no fototra ampianarina ny mpiofana. Tanjona ny ahafahany miainga amin’ny asa fanamboarana trano.
Fampiofanana faobe ma­hakasika ny fanaovan-trano fototra, mahafehy ny kely in­drindra takina, manampy ny mpanao trano amin’ny fikirakirana ny karazana fitaovana ampiasaina amin’izany, indrindra ny manatanteraka ny asa mivantana no hatao.
« Hiitatra any amin’ny faritra ny fampiofanana. Fanom­bohana ny eto Antana­na­rivo », hoy hatrany ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Arakaraka ny filan’ny SIM no hamaliana izany.
Tohin’ny fifanarahana nifanaovan’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa tamin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ny ezaka fampiofanana ireo tanora hamaliana ny filana arakasa.

Tatiana A

Partager sur: