Fito naratra teny Tsiadana: Taxi-be nifampitrongy, nivadika ny iray

Tapaka hisatra ny taxi-be an’ny zotra 119, afakomaly, teny Tsiadana. Notrongisiny ny fiaran’ny zotra 160 ka nivadika. Vokany, olona fito naratra, zazakely iray no tena voa mafy.

Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olo­na teny amin’ny fokontany Tsiadana, Afakomaly atoandro. Taxi-be roa no nifandona teny an-toerana. Naha­tonga ny loza ny fahatapahana tampoka ny hisatry ny fiara iray teny am-pandehanana. Fiara taxi-be iray, zotra 119 avy any amin’ny fidinan’ Ankatso hihazo an’i Tsiadana ity tra-doza ity. Tsy voafehin’ny mpamily ilay fiara fitateram-bahoaka. Nifa­tratra tamina taxi-be iray zotra 160 teo alohany.
Vokany, nivadika ambony ambany ilay taxi-be voatrongy avy aoriana. Naratra ireo olona fito tao anatiny. Ankizy iray no tena voa mafy tamin’ny lohany noho ny dona mafy nahazo azy tao anaty fiara. Nentina haingana namonjy hopitaly ny naratra. Efa tsy misy ahina ny fahasalaman’izy ireo.

Fanadihadiana lalina
Mitohy ny famotorana ireo mpamily roa lahy tompon’antoka tamin’izao lozam-piarakodia izao. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny polisy. Etsy ankilany, anisan’ny mitarika ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny taxi-be eto an-dRenivohitra ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny saofera. Tsy manaraka ny fenitra ny fitsirihana manokana ny fiara.
Na izany aza, manao ezaka amin’ny fisavana azy ireny tampoka ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fitsarana fiarakodia. An­drasana kosa ny tohin’io raharaha teny Tsiadana io.

J.C

Partager sur: