Tolotra nampiavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny fanaovana vaksiny maimaimpoana ny saka sy ny alika, hisorohana ny aretina haromotana. Lafo rahateo ny vaksiny natokana ho azy ireny eny amin’ny mpitsabo biby.
Nomarihina tamin’ny tolotra fahasalamana maimaimpoana manatona vahoaka ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana sy ny faha-76 taona niasan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), omaly, teny Antanimenabe-Ankorondrano. Vao maraina, nilaharana ny fanalana nify nataon’ireo mpitsabo. Nitohy nandritra ny tontolo andro izany. Manana olana amin’ny nify ny 80% amin’ny Malagasy : na banga na misy fahasimbana. Fanararaotra ny tolotra tahaka izao ho an’ireo tsy afaka misitraka izany, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo.
Nahavory olona koa ny fizaham-pahasalamana ankapobeny sy ny fikarakarana manokana ny zaza (fandanjana, torohevitra amin’ny sakafo, vaksiny, sns). Hita teny an-toerana avokoa ny tolotra fiarovana sy fitsaboana, ary fanentanana samihafa. Nisy ny fitiliana ny tahan’ny siramamy, ny VIH/Sida.
“Vahoaka sahirana no maro anisa ety. Tombontsoa be ny fisian’ny tolotra maimaimpoana toy izao ho an’ny fianakaviana rehetra”, hoy ny renim-pianakaviana niaraka amin’ny zanany hatao vaksiny sy holajaina.
“Zo fototra ho an’ny olombelona ny ho salama sy hisitraka fitsaboana rehefa marary. Efa nanao ezaka betsaka i Madagasikara ho fanatsarana ny tolotra fahasalamana”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Jaulmes. Misy tolo-kevitra manokana ho fanatsarana ny tontolon’ny ankizy avy amin’ny Vaomieran’ny zon’ny ankizy amin’ny fanamafisana ny ezaka. Ho fampihenana ny taham-pahafatesan’ny ankizy sy ny asa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra any ambanivohitra, no votoatin’izany, araka ny voalazany.
Tsy ny olombelona ihany no nokarakaraina teny Antanimenabe. Nahazo ny anjara vaksininy koa ny biby, toy ny alika sy ny saka.
Vonjy