Hikorontana hatrany ny toetry ny andro any an-dranomasina manomboka eo Toliara hatrany Farafangana, vokatry ny alondrano avy any Atsimo. Hahery ny ranomasina ary mety hahatratra 3.5m ny haavon’ny onja, anio. Nahazo fampitandremana, noho izany, ny eo anelanelan’i Toliara sy Farafangana. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Vita sonia tany Nosy Be Hell Ville ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny ONG Wings of Change sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa hanarenana ny LTP Dzamanjary Nosy Be. Hanamboatra ny fotodrafitrasa simba ny ONG ary hametraka efitrano iray hasiana fampitaovana. Tanjona amin’izany ny hanaovan’ny minisitera fandaharanasa sy fampiofanana maimaimpoana ho an’ny tanoran’i Nosy be.
Nanao antso avo amin’ny fanjakana ny Fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara (Fimibeama). Nivoitra tamin’izany ny hamerenana indray ny karatra maitso ho an’ny zokiolona, ampiasaina amin’ny zotram-pitaterana rehetra, ho fitsinjovana manokana ny fivezivezen’izy ireo. Azo atao, hoy izy ireo, ny mifampiraharaha amin’ny kaoperativam-pitaterana misy hanamorana ny tohana.
Hotanterahina any Mahajanga, ny 14 hatramin’ny 16 mey, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Hozaraina any an-toerana, mandritra ny hetsika, ny antom-pisian’ny holafitra eto amintsika.