35 taona ny niorenan’ny Faribolana Sandratra. Hisy ny velakevitra hiarahana amin’Ny Hasina Ratsimbazafy, ny alarobia 10 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Hametraka ny Faribolana Sandratra eo amin’ny tantaran’ny literatiora ity velakevitra ity », hoy ity mpampianatra mpikaroka ity, raha nampahafantatra ny ambangovangon’ny lohahevitra : « Ny Faribolana Sandratra eo amin’ny tantaran’ny literatiora » izy.
« Nandalo fotoana ela ny Faribolana Sandratra. Saika nahitana tsangan-kevitra rehetra ny asa soratra ao aminy. Nisy nanohy izany… Tao ihany koa ireo nitondra zava-baovao. Ilaina ny mampahafantatra izany ny rehetra », hoy Ny Hasina Ratsimbazafy, namintina ny hevi-dehiben’ny velakevitra.
Ahitana ny sokajin-taona rehetra ny Faribolana Sandratra. Antony iray mampiaina ity fikambanana ity ny fisian’izany, satria, napetraka ho zava-dehibe ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanoratra.
HaRy Razafindrakoto