Natoa – « Ensemble à tra-verre ma route » : hasongadiny ny andavanandron’ny Malagasy

Nosokafana ny sabotsy 6 avrily teo, teny amin’ny efitrano malalaky ny Bamada Andraharo, ny fampirantiana hosodoko sanganasan’i Natoa Rasolonjatovo, nampitondraina ny lohateny « Ensemble à tra-verre ma route ». « … Lalana izy io. Lalan’ny fiainako fa mety ho lalan’ny fiainanao ihany koa », hoy i Natoa, raha namintina ny raiketin’io lohateny io. Ankoatra izay, « milalao na maneho ny fiainana andavanandron’ny Ma­lagasy sy izay mampiavaka an’i Madagasikara aho. Ka­nefa, hoentiko ao anatin’ny tontolo mambabo ahy sy mahasarika ahy izany. Ireo singa (zavatra ampiasaina) rehetra miteny amiko no lalaoviko ao anatin’ireo sanganasa ireo », hoy indray izy raha naneho ny fifamatoran’ny aingam-panahiny amin’ireo hosodoko 20 mahery miranty eny an-toerana.
Marihina fa ny hosodoko amin’ny fitaratra no tena mampiavaka an’i Natoa Rasolon­jatovo. Vitsy ny manan-talenta goavana tahaka azy eo amin’io taranjan-javakanto io. Ho an’ito fampirantiana voalohany ho an’ny taona 2024 ito kosa, mampiasa karazana akora maro izy. Saika ireo heverina fa zavatra tsy ilaina na tsy miasa intsony no nangoniny. Na izany aza, « tsy maintsy nitady aho, inona ny mampifandray eo amin’ilay hosodoko ataoko sy ilay toerana hanaovana ny fampirantiana », hoy izy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: