Rugby- “Can 2024”: Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ny Makis Ladies

Handray lalao goavana eto Afrika amin’ny taranja rugby, lalaovin’olona 15, indray i Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka ny Malagasy Rugby. Hisy ny fanamboarana ny kianja Makis Andohatapenaka.

Nampahafatarina omaly, teny amin’ny kianja Makis An­dohatapenaka, ny fampiantranoan’i Madagasi­kara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, Rugby à 15, vehivavy. Fifa­nina­nana hatao ny 4-12 mey ho avy izao, eny an-toerana ihany. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025”, izay hatao any Angleterre ny Makis Ladies amin’io fifanintsanana io.
Afrika Atsimo, tompondakan’i Afrika farany teo, sy i Kenya ary i Cameroun no hifadimby hihaona amin’ny ekipam-pirenena malagasy mandritra izany. “Efa tamin’ny volana febroary no natao ny fampivondronana ireo vehivavy mpilalao mandrafitra ny Makis Ladies. Tanjona ny handresy an’i Afrika Atsimo sy ny hiatrehana ny Mondial 2025”, hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby.
Nohamafisiny ihany koa fa hisy ny lalao fitsapana hatao, ahafahan’ny Makis miatrika ity fifaninanana Afrikanina ity. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana kosa izy mba hanampy azy ireo amin’izany. Tsara ny mampahafantatra fa hiatrika ny “Mondial 2025” izay roa voalohany eo. Tsiahivina fa ny volana mey 2023 lasa teo, efa nandray ny Can i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahatelo ny Makis Ladies tamin’izany.
Ankoatra izay, hisy ny fanatsarana ny kianja Makis, mialoha ny fifaninanana “Can 2024”. Anisan’ny nangatahin’ny lehiben’ny Africa Rugby ny hisian’ny fefy manodidina ny kianja mba ho fiarovana ny mpilalao. Hohatsaraina ihany koa ny bozaka hilalaovana, ny efitrano fisoloana akanjo. Manoloana izany, hitsahatra kely ny fifaninanana “XXL Top 12” raha ny nambaran’ny Federasiona. Raha tsy misy ny fiovana, amin’ny 19 mey indray no hitohy izany.

Fitia Randria

Partager sur: