Sombim-baovao

Nahazo ny laharana faharoa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny Oniversite ao Frantsa, taranja Echecs, Rakotomaharo Fy, teratany malagasy mpilalao Échecs, monina any Frantsa. Isa 7,5/9 no azony tamin’ity fifaninanana ity.

Niatrika fampivondronana tany Moramanga, ny 4 hatramin’ny 7 avrily teo, ireo Malagasy karateka, sokajy U12, U14, U16, U18 ary Seniors. Ireo mpikatroka 2 mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana Samy Jao natao tany Mahajanga no niatrika izany fampivondronana izany.

Nanatanteraka fivoriambe ny BCEST (Basket club espoirs sportifs de Tuléar), ny faran’ny herinandro teo, notronon’ireo ray aman-drenin’ny atleta. . Efa eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fifaninanam-pirenena rehetra ho avy ity klioba ity amin’izao.

Partager sur: