Fahasalamana ; avy amin’ny biby ny 95% ny aretina mahazo ny olombelona

Ambana ho an’ny fahasalaman’ny olombelona ny aretina azo avy amin’ny biby ka mila sorohana. Apetraka eto Madagasikara ny ivontoerana ho an’ny hamehana hiadina amin’ny aretin’ny biby.

Mifanerasera betsaka amin’ny olombelona ny biby. Ao ireo atao sakafo, misy ny ompiana, izany hoe, misy fifampifandraisana hatrany ny roa tonta. Avy amin’ny biby ihany koa ny 95% ny aretina mahazo ny olombelona. Mila sorohana, araka izany, ny aretina mpahazo ny biby. Antony hametrahana ny ivontoerana ho an’ny hamehana hiadina amin’ny aretin’ny biby (ECTAD). «Ilaina ny fitsaboana ny biby ho fiarovana mialoha ny ambana mahazo ny olombelona», hoy ny fanazavan’ny Dr Andriamihanta Manuella, tale misahana ny fanaraha-ma­son’ny areti-mifindra, ao amin’ ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, omaly, tetsy Ambodivona, nandritra ny fametrahana ny ECTAD. Mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny aretina azo avy amin’ny biby raha toa tsy voasoroka mialoha, toy ny pesta sy ny fièvre de la vallée du Rift, izay mazàna mifindra amin’ny olombelona. Tranga izay miverina matetika isan-taona ka mila fitandremana. Zava-dehibe ny fikarakarana ny biby hiarovana amin’ny mikraoba sy hanenana ny ambana samihafa eo amin’ny olombelona sy amin’ny biby fiompy.

Fiaraha-miasa
«Lafo ny saran’ny fitsaboana ny aretina azo avy amin’ny biby ka hiantraika amin’ny toekaren’ny tokantrano raha toa ka tsy voasoroka mialoha», hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona R. Suzelin. Misy, araka izany, ny atrikasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra anatin’ny fahasalaman’ny biby. Laha­ram-pahamehan’ny minisitera, hoy izy, ny fiarovana ny olombelona sy ny biby ho fitsinjovana azy ireo. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo (FAO), ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­haoaka (MSANP). Eo koa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE), ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), ny Jono sy ny toekarena manga ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS). Mamatsy vola ny tetikasa ny Sampan­draharaha amerikanina momba ny fampandrosoana (USAID).

Henintsoa H.

Partager sur: