Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Madagasikara. Manodidina ny 19,6% ny tahan’ny vehivavy mpandraharaha eto amintsika raha 19,3%, ho an’ny lehilahy. Heverina fa fandrosoana ho an’ny tsirairay ny fidirana anatin’ny fandraharahana. Manodidina ny 94,4% ny tahan’ireo tanora nisafidy handraharaha, ny taona 2029 raha oharina amin’ny 87,2% ny taona 2018 sy 83,6% ny taona 2017. Mitentina 104 dolara eo ny vola voalohany ampiasain’ireo mpandraharaha amin’ny sehatrasa ataony. Volakely indrindra maneran-tany, araka ny tatitra nataon’ny National Global Entrepreneurship Monitor.
Sakana
Ankoatra ny olana ara-bola, sakana ny tsy fahatokisan-tena eo amin’ny sehatrasa izay tena tiany atao ho an’ny tanora. Tahotra ihany koa ny fidirana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ka mahatonga azy ireo miantsehatra eo amin’ny tsy ara-dalàna lalandava. Andraikitra goavana, araka izany, ny fanentanana ny tanora handraharaha eo amin’ny ara-dalàna. Miantoka ny fampandrosoana ny toekaren’ny firenena izany. Marihina fa manodidina ny 1 200 ny orinasa nisokatra nandritra ny sivy volana voalohan’ny taona 2023 ho an’ny eto an-dRenivohitra. Maro anisa amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny lamba, fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena ary ny fiompiana.
Henintsoa H.