Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hatao ny fomba rehetra amin’ny famerenana azy

Miroso hatrany. Nivory tetsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, ny komity manokana misahana ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toe­ra, omaly. Nidinika ny dingana manaraka tokony harahina izy ireo, na araka ny lalàna na araka ny fomba. Fantatra mantsy fa hatao daholo ny fomba takina amin’ny zavamanan-kasina toa izao. Tsy maintsy hapetraka amina zomba mendrika azy mantsy ny kabeson’ny mpanjaka, sy ny kabeson’ireo miaramilany roa. Mbola miranty ao amin’ny Musée de l’Homme any Paris izy ireo ankehitriny. Na izany aza, efa feno ny fepetra hahafahana mampody izany, araka ny lalàna frantsay lany tamin’ ny 2023, izay milaza fa tsy maintsy tafiditra anatin’ny sokajy “collection publique” ny vakoka iray vao azo averina any amin’ny niaviany.
9 mianadahy ireo solontena malagasy mandrafitra ny komity manokana misahana ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Eo ireo tomponandraikitra sy manam-pahaizana momba ny vakoka avy ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Manampy izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fampia­rana ambony sy ny fikarohana siantifika sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Mazava loatra fa tsy maintsy ao anaty komity ihany koa ny solontenan’ny taranaky ny Ampan­jaka Toera, izay mahafantatra bebe kokoa ny lafiny fomba. Manampy ireo ny solontena avy amin’ny governemanta frantsay. Nihaona tamin’izy ireo ny minisitry ny Kolon­tsaina sy ny serasera, Andria­mananoro Augustin, omaly. Nambarany fa mbola hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana ao amin’ny komity sy ny asany.

Zo ny Aina

Partager sur: