Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo fitaovana ireo kaominina any Andapa

Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distri­kan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fa­nolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny fampiofanana manokana izany ahafahan’izy ireo manantanteraka ny asa. Ni­araha-niasa tamin’ny tetikasa “Projet d’agriculture durable par une approche paysagère – Padap”.
Anisan’ny fitaovana fanajariana sy fampiasana ny tany momba ny fanapahan-kevitra sy programan’asa rehetra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny Sac. Ahitana ny sarintany mandrakitra ny asa rehetra atao eo amin’ny kaominina izany. Eo koa ny laharam-pahamehana mila hajaina ary indrindra ny satan’ny fandraisan’andraikitra “Charte de responsabilité”. Nanaovan’ ny talem-paritra sonia izany ho marika fa hampiasa ny Sac izy ireo amin’ny fandaharanasa tanterahiny ho an’ny kaominina.

Synèse R.

Partager sur: