Ny asako rahampitso andiany faha-16: nampidirana sehatrasa vaovao mahaliana ny tanora

Ny lycée J J Rabearivelo sy ny lycée Andoharanofotsy no nandray ireo mpisehatra amin’ny “Ny asako rahampitso”. 5 833 ireo mpianatra hahazo tombontsoa mandritra ny hefarana.

200 mahery ireo mpisehatra hitafa amin’ny mpianatra 2nde amin’ny lycée valo eto Antananarivo momba ny asa sy ny lalana hizorana hahatongavana amin’izany. Misy karazana asa vaovao toy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny asa mifandraika amin’ny teknolojia vaovao… tena mahaliana ny tanora amin’izao fotoana sady mbola malalaka ny tsena no nampidirina hozaraina amin’izany. « Ho fiarovana ny tontolo iainana, zaraina amin’ny internet ny taratasy fanamarinana fa nandray anjara tamin’ny hetsika  Ny asako rahampitso  ny mpiantsehatra iray », hoy ny mpikambana ao amin’ny Rotary Ainga, Andriantseheno Serge.
Ho an’ny lycée Rabearivelo nisantarana ny hetsika, omaly, 22 ny kilasy 2nde nandray ireo mpisehatra nahitana karazany maro. « Manampy betsaka amin’ny fisafidianana ny sokajy sy ny lalam-piofanana ho an’ny fampianarana ambony ny fizarana ataon’ny mpisehatra rehetra ary mifandray amin’ny fampianarana omena any an-dakilasy », hoy ny talen’ny lycée Rabearivelo, Rakotomalala Holy. Nandray izany hatrany ny mpianatra amin’ny lycée tao anatin’ny andiany 15 vita ary tsapa fa nitari-dalana azy ireo amin’ny asa nosafidiany hivelomana taty aorian’ny fianarana. Ahafahana misafidy sahady ny sokajy L-S-OSE rahateo rehefa hiakatra kilasy de 1ère. Hitohy ihany « Ny asako rahampitso » ho an’ny lycée handray ireo mpiantsehatra rahampitso noho ny lamina, hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Miezaka manentana ny mpianatra, indrindra ny tovovavy, izy ireo, hisafidy ny taranja siantifika sokajy S satria mihavitsy. Miara-miasa amin’ny fikambanana Stem hivondronan’ireo vehivavy siantifika rahateo ny lycée.

Vonjy

Partager sur: