Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Nisokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagascar (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), ahafahan’ireo mpianatry ny Oniversite mampitombo traikefa. Miisa 200 ireo tanora manaraka ny fampiofanana mialoha ny hiatrehany ny asa raha maherin’ny 500 kosa ireo efa nahazo tombontsoa tamin’izany. Miisa 10 ireo sekoly ambony miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana miara-miasa sy nifanaraka tamin’ireo minisitera telo voalaza etsy ambony hampiofana ireo mpianany. Mbola hitohy any amin’ny faritra kosa ny hetsika noho izy manampy ny tanora amin’ny fidirana eo amin’ny sehatry ny asa sy hahafahany mahazo traikefa matihanina.
Henintsoa H.