Mihazakazaka ny famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana (RN5A sy RN6) any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Anisan’ izany ny fametrahana tetezana vonjimaika any Manakolagna, fivilian-dalana hametrahana fiampitana any Ifasy.
Famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Anisan’ny simban’ny rivodoza Gamane farany teo, ny tetezana any Manakolagna, any amin’ny lalam-pirenena RN5A, PK 99, mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar. Vahaolana noraisin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ny fametrahana tetezam-by vonjimaika (pont modulaire). Vinavinaina ho tafapetraka tanteraka ity tetezana ity amin’ny alakamisy 11 avrily izao ka hiverina hisokatra ny fifamoivoizana. Manamarika ny MTP fa voatery nentina tamin’ny sambo avy any Toamasina nihazo an’i Vohemar ireo fitaovana hanamboarana tetezana satria sarotra ny lalana avy any Ambilobe.
Nitarika ny ekipan’ny MTP ny tale misahana ny tohana ho an’ny hamehana (DAU), Rajaonalison Rija. Nanampy tamin’ny fanamorana ny asa ny ao amin’ny APMF.
Mitohy koa ny asa fanarenana ny lalana RN6 amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny. Nametrahana fivilian-dalana eo amin’ny PK537+327, eo amin’ny tetezana Ifasy, izay efa nanaiky ny tompon’ny tany. Hisy ny fandravonana ny tany, hataon’ny ekipan’ny MTP avy any Ambanja sy Ambilobe. Hampiasaina koa ny « Bac » ahafahana miampita eo amin’ny reniranon’Ifasy.
Mifarimbona avokoa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny kaominina Bemaranja, ny distrika, ny zandarimaria, sns.
Tetezana Mahavavy
Andrasan’ny mpampiasa lalana rehetra amin’ny RN6 koa ny fanarenana sy ny fikarohana vahaolana haingana eo amin’ ny tetezana Mahavavy, eo anelanelan’Ambanja sy Ambilobe, mihazo an’Antsiranana. Miantraika amin’ny vidim-piainan’ny mponina any an-toerana amin’ny ankapobeny ity fahatapahan-dalana ity. Amidy 1 400 Ar hatramin’ny 2 000 Ar ny kapoakan’ny vary, izany hoe, 4 900 Ar hatramin’ny 7 000 Ar ny kilao. Manginy fotsiny ny sakafo sy ny zavatra ilaina andavanandro, toy ny legioma, sns.
Njaka Andriantefiarinesy