Nanomboka omaly ny fitetezan-trano ataon’ireo tanora an-jatony ao amin’ny kaominina Ivato, manatanteraka ny tetikasa e-Fokontany. Ny minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, miaraka amin’ny kaominina Ivato, no manatanteraka ny fanisam-bahoaka manerana ny fokontany 13 ao an-toerana.
Ho fanatanterahana ny vina fototra 3 napetraky ny filoham-pirenena io sady tafiditra anatin’ny tetikasa 100 andro.
Haharitra herinandro ny fitetezana tokantrano ka ankohonana manodidina ny 17 000 no ezahina ho voaisa ao anatin’izany.
Ny olona rehetra, ny zaza hatramin’ny olon-dehibe dia hoisaina avokoa ary hizarana “numero unique d’identification” (NUI) isanisany.
Tanterahina amin’izao fanisana izao koa ny fanadihadiana sosialy, hijerena ny tokantrano marefo hanamora ny fizarana fanampiana any aoriana.
Ankoatra izay, hamoraina ny fizarana kara-pokontany biometrika isaky ny tokantrano.
Tanjon’ity tetikasa ity ny fanatanterahana ny “digitalisation” mba hanamora sy hanafaingana ny fitantanan-draharaha miainga eny anivon’ny fokontany. Tadifitra ao anatin’izany ny fampandehanana ireo karinem-pokontany manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana.
Tatiana A