Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifantenana izay hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma sokajy «sénior», lahy sy vavy. Fihaonana hotanterahina any Douala Cameroun, ny 15 – 25 jona ho avy izao.
Araka ny tapaka teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ny halaviran-dalana 100 m sy 400 m tsotra no hanaovana io sedra io. Tsy ny rehetra anefa no afaka hiatrika izany fifantenana izany fa ireo izay nahazo ny “minima” nandritra ny fifaninanana ofisialy nokarakarain’ny seksiona sy ny ligy manerana an’i Madagasikara tao anatin’ ny taom-pilalaovana 2024 ihany. Raha tsiahivina, 12 s 08 ny fe-potoana eo amin’ny 100 m ho an’ny vehivavy, raha 10 s 08 ny an’ny lehilahy. 59 s eo amin’ny 400 m ny an’ny vehivavy raha 49 s ny an’ny lehilahy. Ho any Cameroun, izay manana zava-bita tsara indrindra mandritra io fifantenana io. Ankoatra izay, efa ao anaty ekipam-pirenena i Sidonie Fiadanantsoa nahazo ny medaly volafotsy tamin’ny 100 m misy fefy tamin’ny lalao Afrikanina tany Ghana farany teo sy i Claudine Nomenjanahary, hihazakazaka ny 400 m misy fefy.
Izy mirahavavy ireo izay samy mpiofana any Dakar Senegal avokoa.
Tompondaka