Nifarana ny talata 9 avrily teo ny fifehezana na fifadian-kanina eo amin’ny mpino silamo. Natao nandritra ny 30 andro tao anatin’ny volana Ramadan izany. Niditra tamin’ny fety be, famahana ny fifehezana na “Aïd el-Fitr” izy ireo omaly.
Niditra voalohany indrindra teto Madagasikara, tany ho any amin’ny taonjato faha-16, ny finoana islamo. Nentin’ny Arabo mpitsoa-ponenana, araka ny lovan-tsofina. Mandray anjara ao amin’ ny kolontsaina malagasy ankehitriny ny fivavahana silamo. Manodidina ny 25 % amin’ ny mponina ny isan’ny silamo eto Madagasikara, araka ny fanisana farany. Tapitra ny talata teo ny 30 andron’ny fifehezana. Nanomboka kosa ny Aïd el-Fitr. Andro natokana hanaovana fety be rehefa tapitra izany fifehezana izany. Lanonana miavaka ny taorian’ny fahataperan’ny fifehezana nandritra ny volana Ramadan. “Mankasitraka ny Tompo tamin’ny fahavitan’ny mpino silamo rehetra manerana ny Nosy ny Ramadany, enga anie hitondra ny soa sy ny tsara eto amin’ny firenena ny vavaka nataon’ny mpino silamo rehetra nandritra izany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny Silamo malagasy (FSM), Abdousoary Said Arsène, nandritra ny fankalazana izany tetsy amin’ny Mosquée 67 ha, omaly. Amin’ny maha fety azy, miezaka mampifaly ny mpino ao aminy tsy ankanavaka izy ireo mandritra izany. Amin’ny alalan’ny fiarahana mitotorebika sy miara-misakafo. Fifampitsinjovana ho an’ny samy mpino indrindra ny sahirana ny zava-dehibe ka hanaovana izany. Eo ihany koa ny fanaovana asa soa ho an’ny mpino eny fa na olon-tsotra hafa finoana ihany koa aza.
“Anisan’ny fampianarana nodidin’ny Tompo atao ny fampisakafoana ny olona mifehy sy ny sahirana. Fety masina androtsahan’Andriamanitra fananana sy harena izany”, hoy kosa ny ny sekretera jeneralin’ny mpino silamo eto Madagasikara sady loholona, Branco Nantenaina. Nandritra ny fankalazany io fety io, zavatra tsy maintsy ataon’ny mpandala io finoana io ny fampisakafoana ireo mpino sy ny mpifehy ao anatin’ny finoana. Anisan’ny nanao izany, tetsy 67 ha, ny fikambanana zanak’Avaratra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampisakafoana ny namana, mpiray tanindrazana izay mety tsy hahita sakafo hohanina.
Ahazoana fahasoavana manokana ny fifadian-kanina
Fototra fahatelo iorenan’ny finoana islamo sady tsy azo lavina ny fanaovana fifadian-kanina, mandritra ny volana Ramadan. Volana fahasivy ao anatin’ny tetiandro islamika io volana io. Didy tsy azo ivalozana avy amin’Andriamanitra izany, tahaka ny nataon’i Jesoa zanak’i Maria nanao fifadian-kanina nandritra ny 40 andro. Tsy maintsy ataon’ny mpino silamo tsirairay avy izany, raha tsy misy ny sampona tsy ahafahan’ireo mpifehy iray manao izany. Azo ekena ny tsy fanaovan’ny olona mandeha miondrana mifindra toerana na marary. Tsy maintsy manonitra ilay fotoana very teo kosa izy ireny rehefa sitrana sy tonga any amin’ny tany alehany. Tsy vitan’ny hoe mifehy vava fotsiny ihany fa mifehy ny vatana iray manontolo ihany koa. Ezahina halavirina ireo fomba amam-panao tsy mendrika, mandritra izany. “Mifehy tena ary miezaka miala amin’ireo karazam-pahotana rehetra. Mifantoka amin’ny fanekena sy fanakaikezana ny Tompo”, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny mpino silamo eto Madagasikara sady loholona. Mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy fanao rehetra amin’ny fiainana andavanandro. Ahafahana miatrika ny 11 volana manaraka indray mba tsy hanao zavatra fahatany, toy ny mandainga, mamitaka… Volana no arahina sy jerena amin’ny tetiandro islamo. Jeren’ny mpino rehetra maneran-tany amin’izany ny fotoanan’ny tsinam-bolana rehefa hanao zavatra
Misy tombontsoa ny fifadian-kanina
Maro ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana fifadian-kanina. Anisan’izany ny fahazoana ny famindrampon’ Andriamanitra, ny fibebahan’ny mpino ary ny famafan-tsazy azon’ny olona tsirairay avy manatanteraka izany. Eo koa ny fahazoana tombontsoa ara-pahasalamana. “Misakafo foana ny olombelona mandritra ny taona, ilaina maka aina kely amin’ny fisakafoana ihany koa anefa ny vavony”, hoy ny mpino silamo, Razafimandimby Anicet na i Moustafa. Nilaza izy fa fotoana hanaovana izany ny fifehezana mandritra ny iray volana dia ny volana Ramadan. “Miha mitombo ny hery ananan’ny olona iray aorian’ny fifehezana. Mitondra fahasalamana ho an’ny olona ihany koa izany, toy ny fahasitranan’ny vavony, ny diabeta…”, hoy hatrany izy.
“Tanjona lehibe amin’izany ny fahadiovana ara-panahy, hahatonga ny olona iray ho tompon’ny tenany sy ho tomponandraikitra tsy misy manara-maso”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanan’ny Silamo Malagasy (FSM), Abdousoary Said Arséne. Fanampin’izay, ny fahatahorana an’Andriamanitra, araka ny voasoratra ao amin’ny Kor’an (Coran) na baiboly Masina. Miseho amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny didy nolazainy rehetra ary ao anatin’izany ny fibebahana. Misy fepetra anefa ity farany, toy ny fanenenana tamin’ny ratsy natao sy ny tsy famerenana izany intsony, ny fangatahana famelan-keloka amin’ilay Nahary irery ihany. Misy ihany koa, araka ny tetiandro islamika, ny fety “Sacrifice d’Abraham” na ny “Aïd al-Adha” afaka 2 volana sy 90 andro.
Nanatontosa : Mino