Tanterahina anio, eny amin’ny Trano fivarotam-boky « Il etait une fois » Ankorondrano, ny famoahana ny boky « Rabitro tsara fanahy ». Raha tsiahivina, efa nisy ny famoahana ny boky « Qu’est ce que je vois ? – Inona no hitako? », ny alarobia lasa teo, ary mbola hisy ihany koa ny famoahana ny « A quoi ça sert les Filles? » sy ny « La Virgule rebelle », ny sabotsy ho avy izao. Boky vatsian’ny tetikasa Ressources éducatives de l’IFM izy ireto.
Mitohy hatrany ny fanohanana ireo mpahay kanto amin’ny fanomezana tosika azy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Anisan’izany ireo boky vao nivoaka ireo. Bokim-panabeazana sy fampianarana avokoa izy ireo. Ny « Qu’est ce que je vois?- Inona no hitako? » nosoratan’i Amina Hachimi Alaoui. Ny « Rabitro tsara fanahy », nosoratan-dRasolondraibe Ando Nantenaina, ny «A quoi ça sert les Filles? », nosoratan’i Ravaka Tahirimihamina, ary ny « La Virgule rebelle » nosoratan’i Yannick Tojonantenaina Andrianambonisoa. Mpanoratra anisan’ny manana ny maha izy azy avokoa ireo, na misy aza ny vao misandratra. Izany indrindra no hanohanan’ny IFM azy ireo ho fanampiana amin’ny fampivelarana ny tetikasa ho tombontsoan’ny fanabeazana sy ny haikanto amin’ny ankapobeny.
Lin