FANTINA sy FINTINA

Kandidà tokana hofidina depiote ao Vohibato ny solombavambahoaka amperinasa, Rivotiana Jean Bosco. Efa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ny ila tongony raha tsy misy ny fiovana. Nambarany fa hanao ny fampielezan-kevitra hatrany ny tenany. Tsiahivina fa efa minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana izy talohan’ny janoary lasa teo.
Betsaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna eto, araka ny nambaran’ny RMDM tetsy Bel’Air, omaly. “Misy mpitantana eto nefa izao ny zava-misy. Tapitra ny 100 andro izao nefa aiza isika ?”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo koa fa anaovana ramatahora na ga­draina ireo miteny ny tsy mety ka niantsoan’ny RMDM ny vahoaka tsy hanaiky izany.
Manahy ambadika politika amin’ny fisamborana ny kandidà iray any Vangaindrano ny fikambanana Grand Sud. “Efa niandrasana amin’ny fotoana farany sy taorian’ny nametrahany ny dosie filatsahany vao niseho izany”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa manampahaizana sady atokisan’ny Banky iraisam-pirenena io kandidà io ka niantsoany ny tsy tokony hanilihana na ho avakavahana.
Mpifaninana amin’ny fifidianana depiote ihany Rossy. Nahafeno ny antontan-taratasy ilaina ny tenany, omaly, ary nanatitra izany teny anivon’ny Ceni. Tsiahivina fa tsy miankina roa : i Rossy sy Ram­boasalama ary ny Irmar, Rafidimanana Desiré, sy ny Firaisankina, Randriamasinoro Ny Rina no hiady toerana roa eny amin’ny boriborintany fahefatra.

Partager sur: