Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena miisa 11, omaly tetsy Ambatonakanga. Nisongadina tamin’izany ny tranga politika niseho tato ho ato ka nanaovan’izy ireo antso avo.
«Toherinay ny didy jadona sy ny antsojay politika”, hoy ny lohahevitra nentin’ireto fiarahamonim-pirenena ireo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny fanonganana olom-boafidy, filohan’ny Antenimiera roa. “Mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao ny fanamorana sy hafainganan’ ny fanalana ireo lehibena andrim-panjakana amin’ny asany ireo na anaty lalàna ary ireo karazana dingana ireo”, hoy izy ireo. Nanterin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto fa azo atao ny mampiakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana avo (HCJ) amin’ny fiampangana heloka bevava satria tsy mahazo ny tombon-jon’ny antenimiera intsony Razanamahasoa Christine raha heverina fa manohitohina ny filaminam-bahoaka ny lahateniny.
Nambaran’izy ireo koa fa manova endrika ny HCC io fanehoana fanararaotana amin’ny fampiasana azy io, amin’izao ankatoky ny fifidianana depiote izao. “Tianay ny mampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny foto-kevitra saro-pady momba ny fisaraham-pahefana na efa nozimbazimbaina hatry ny ela aza izany”, hoy izy ireo. Nohitsin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto fa mananontanona ny loza. Mihamahazo vahana ny fitondrana jadona. Tsy tara anefa ny fanakanana izany. Adidintsika ny mijoro sy manda ny tsy rariny rehetra mba tsy ho lasa nofinofy ny demokrasia, araka ny nambaran’izy ireo.
Anisan’ny soso-kevitr’izy ireo ny fametrahana sehatra fifampidinihina mitohy. Ny fanamafisana ny fahaleovantenan’ny fitsarana, indrindra amin’ny resaka fifidianana. Ny fametrahana ny sazy noho ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny vola lany amin’ny fifidianana. Ny fahafahana mamory vahoaka sy ny fahazoana manao hetsika an-kalalahana.
Synèse R.