FITORIAN’NY KANDIDA : Fe-potoana farany ny 15 avrily

Raha ny tokony ho izy, araka ny tetiandro napetraky ny Ceni, efa nanao peta-drindrina ny lisitry ny kandidà nekena ny firotsahan-kofidiny eo anivon’ny distrika tsirairay manerana an’i Madagasikara ny Rafitra fanamarinana sy fandraketana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana (Ovec) tamin’ny 9 avrily lasa teo. Amin’izany, nomena ny taratasy fanamarinana ny nandraisana ny firotsahan-kofidina ireo kandidà nekena ny firotsahany, ary taratasy fandavana ho an’ireo tsy nahafeno fepetra. Manana 48 ora ahazoany manao fitarainana eny amin’ny Ceni ireo kandidà amin’izany, izay nifarana omaly, ary manana 24 ora kosa ny Ceni amaliana izany na manaiky ny firotsahan-kofidin’ilay olona izy na tsia. Raha tsy afapo amin’ny fanapahan-kevitry ny Ceni ilay kandidà, afa-mampiakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsa­rana avo momba ny Lalàm­panorenana (HCC). Manana 48 ora anaovana izany izy, ary manana 24 ora aorian’ny nametrahana ny fitoriana amoahany ny didiny ny HCC.

Mandra-pahatonga ny 15 avrily izao izay fombafomba sy dingana rehetra izay. Hamoaka ny lisitra ofisialin’ny kandidà rehetra isaky ny distrika manerana an’i Mada­gasikara ny Ceni foibe amin’ny 16 avrily. Amin’ny 17 avrily isaky ny vaomieram-pifidianana isaky ny distrika ny fisarihana laharana ho amin’ny biletà tokana sy ny fandraisana anjara fitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: